VOALOHAM-PITIAVANA ! (RATSIMBA Georges)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba fantatrareo ny voaloham-pitiavako
Tsy afaka am-bavako ?
-Ny an’ny havako !
Fitiavana feno ‘reo ray aman-dreny
Tsy sasa-niteny
Ombieny ombieny

Tsy kivy nananatra hatrany, hatrany,
Nanao teny mamy
Arahin-tomany !
‘Lay reniko mantsy no fatratra indrindra
Fa nanindrahindra
Nampiana-mamindra !

Raha sendra ka lavo aho dia notrotroiny
sy safosafoiny
ary koa ampofoiny !
Nentiny hividy “bonbons” teny an-tsena,
Nataony am-babena
Raha sendra sorena,

Indraindray izy nitezitra ihany,
Kanefa tsy izany
Fa sariny hatrany !
Manaraka izany i dada malala
Iaraha-mahalala
Mpanoro ny adala !
Niezaka mafy mba hampianatra ahy
Hijoro ho sahy
Satria lehilahy !
Ilay tsorakazony mafy aoka izany
Fa nampitomany
Hatrany hatrany !
Kanefa izao dia tsaroako fa hay
Fa raha tsy nanafay
‘Zay dadako izay
Ho loza sy atambo no nanjo ahy
Fa ho badolahy
Tsy ary fanahy !
Ry dada sy Neny, raha sitrakareo,
‘Ty hirako ekeo

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
8135 1
Hevitra mandeha
papoosy ( 05/01/2011 22:23)
Tena tsara be!!!
kiriah ( 07/01/2011 12:56)
tena tiko !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0283