MBA SAMBATRA KOSA… (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba sambatra kosa ry lahy, ny manana Ray aman-dreny
Mitsilo ny dia isan’andro: masoandro amam-bolana ireny,
Fa itony kamboty hankaiza? Maizina atoandro ny dia
Lavo dia miarina indray, tafarina dia mikodia

Raha sendra sorena ny sain’ireo velona ray aman-dreny
Dia manan-kidodododoana fa avy mampionona ireny
Fa itony kamboty mba iza no afaka hampionona kosa?
Ny sento sy tsetra miloatra vao maika aza koa miavosa

Raha sendra ka kotsan’ny orana fa lanitra no lolohavina
Na lavo satria tafintohina fa tany no mbola diavina
Ny velona ray aman-dreny dia manan-kanarina ihany
Fa itony kamboty indrisy! Ny hany hery: tomany!

Raha sendra mba mody aza mantsy fa manina akany nitaiza
Rindrina no mba vantanina : kamboty aza moa ka hankaiza?
Ny velona ray aman-dreny mianika anaty akaniny
Idadany mantsy eo ankilany, Ineny kosa eo andaniny!

Ny vady, hoy ny tenin’ny olona no solon’ikaky sy Ineny,
Kanefa ry lahy aza tsiny fa teny izany ka teny
Raha tsara izy ireny ekeko fa harena sy lova tokoa!
Ny kamboty mahazo ny ratsy dia tena kamboty in-droa!

Mba sambatra kosa ry lahy, ny manana Ray aman-dreny
Mitsilo ny dia isan’andro: masoandro amam-bolana ireny,
Fa itony kamboty hankaiza? Maizina atoandro ny dia
Lavo dia miarina indray, tafarina dia mikodia

Ambanidia, 30 martsa 1964
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Fiononana
2561 1
Mpakafy: ratefilaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148