NY TENA SAKAIZA - RATSIMBA Georges
Azo vakiana?
Tsy olo-natolotry ny Zanahary
Tahaka ny havana : ray aman-dreny
Sy mpiray tampo
Ka tsy maintsy tiana
Na tiana na tsia
Fa olona sendra nihaona tsy nahy
Tanivon’ny sehatra iray niombonana
Na tafara-dia tan-dala-niraisana
Dia nifanatsafa
Nifampitantara
Dia nifanazava
Nifanopi-maso,
Nifamihin-tanana…
Dia nifankahazo
Tsy nifanadino na dia tafasaraka !
Tsy misy dina nasiana sonia
Na velirano sy vavolombelona
Kanefa ao anaty,
Dia sary tsy maty
Sy akon’ny feo
Tsy mety voakosoka, tsy mety hadino
Na aiza na aiza
Satria feo sy sarin’ny tena sakaiza!
Ny tena sakaiza
Olom-pinidy tanatin’ny maro
Tsy anjato, tsy anarivo
Fa antapitrisa
Tsy mba notambazana na noterena,
Misaina isan’andro, isan’alina koa
‘Zay mety hahasoa,
Manondrotra laza ary koa voninahitra
Manaiky ho andry na ho vodifahitra!
Sy vonon-kanampy mba hahatafita
Miara-dravo amin’izay asa vita
Ny tena sakaiza!
Sasakalina latsaka dimy, 15 jolay 1996
Mombamomba
Mpanoratra : RATSIMBA Georges

Nampiditra : naritsimba
Daty : 25/01/2011
Mpamangy : 2234
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LASA ILAY MAHERY FOTILY AHO
MBA SAMBATRA KOSA…(NRRG)
MBA SAMBATRA KOSA…
FIKASANA !
VOALOHAM-PITIAVANA !
KINDRIANDRIANA
DIA AFAKA 'LAY TANINDRAZAKO
DIA AFAKA ‘LAY TANINDRAZAKO
TANINDRAZANA