Ahy - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Azo vakiana?
Ho avy koa ny andro
Tsy ny sariny intsony
No orohako isan'andro, fa ny molotra atolony
Tsy ny volana ihany koa
No dinihina banjinina
Fa ny taniny ankiroa, izay atolony hamihina
Any andro tsy ho ela
Amin'ny alin'ny ririnina
Tsy hanafana tena irery, fa izy no fihinina
Any andro efa akaiky
Tsy hampionon-tena intsony
Fa izy hanafosafo, raha sendra tsy mitony
Any andro tsy ho irery
Fa hisy azy hihaino ny taraina
Hitondra teny mamy, hampilefy ny manaintaina
Ho avy ny andro tsy ho ela
Hilazako aminy, fa te hitantana ny tanany
Amin'ny androko rehetra raha tany koa ny tany
Andrianitsiahy
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 24/12/2021
Mpamangy : 338
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tomanin-tsakaizaTiako ka tsy ariako, Na l
VIMBINO RE NY FOKO
Aminy
Omeko anao daholo izay ts
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA