Vovoka (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VovokaVovoka ihany aho ka ho vovoka
No hifindrako makany any amin'ny tonta
Rehefa drodrahin'ny ady sy sovoka
Mandemy ny tena sy manontanonta
Vovo-madinika mora bataina
Sy zakan'ny rivotra malemy fitsoka
Tsy ren'ny nofo sy tsy azo tsapaina
Fa manelina ihany rehefa manditsoka
Vovoka nisy sy tsy manan-tsafidy
Misedra ny fiainana tsy misy fitserana
Mahitahita ny mamy sy ngidy
Rehefa tsofina mafy mba hifindra toerana
Vovoka ihany ka tsy mba maharitra
Na dia fetaina ho fotaka hijoro
Kanefa ny fotoana tsy maintsy ho ritra
Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hikoro
Mba ho isan'izay efa ringitra
Didinina vato sy fefin-jozoro
Ho vovoka kely tsy afaka handringitra
Rehefa voa mafimafy sy voatorotoro
Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Herizo Ravonjison AndrianitsiahyNampiditra : zonytsiahy
Daty : 08/04/2025 20:05
