Hisy Andro Hiovako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any hisy andro hiovako volon-tany. Hivadihan'ity tafa izay manakaiky fiafaràna,
Hibanjina ahy ny maro, hibanjina hitomany,
Hanakan-dalana amin'ny tsy azoko ialàna,
Dia i dada sy i neny hisento vilaory
Sy ny zandriko rehetra ho velom-pitarainana.
Samy hiantsoantso fa tsy ahoako akory,
Fa voleko ratra mafy ho feno fanaintainana.
Any hisy andro handaozako ireo namana,
Hanombohako hanadino ireo mamy niarahana,
Mamy sy minitra noheveriko tsy hifarana,
Saingy nidona tamin'ny ora tsy maintsy hisarahana,
Dia ireo nigoka ny hamamiana ahatsiaro feno fahabangana,
Hitady hasolo ny finantrako fa tsy ahita izay mba hety.
Ireo no ho velon-kiran'alahelo sy hitady fahagagana,
Angamba hiampita irery sy handeha hanjempizepy.
Any hisy andro handaozako olon-tiana,
Hamelako ho azy tomany sy alahelo.
Hanery tena izy hanadino ireo nifanjohiana
Sy hirakotra isan'andro ireo tsiahy mamelovelo.
Dia ilay niankina tsy an-tahotra fony aho fahiny,
Ka nanao ny sandriko ho andry tamin'ny onja sy tafiotra.
Ho ziogainao ry tany izy, nefa re tsy manan-tsiny.
Satriko entina izy saingy mbola ho sarotra.
Any hisy andro tsy maintsy hanaovana veloma.
Veloma ihany fa tsy mandra-pihaona.
Eo no hikopa-tanana ahy ny hany sisa ho velona,
Mialohan'ny hamelako ny alahelo sy ny saona.
Fa androany aho hitanao mbola midorehirehitra.
Mahafinaritra jerena fa tsy mbola matroka.
Dinihinao ny tsikiko izay mambabo ny eritreritra,
Fa tsy fantatrao ny andro hivadihan'iny ho setroka.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Herizo Ravonjison AndrianitsiahyNampiditra : zonytsiahy
Daty : 08/04/2025 20:08
