Ora sy minitra (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy ora sy minitra nandrisika ahy hisitaka. Izay nampikoro mafy ireo efa lali-paka.
Mantsy aho nifidy ny hiala sy hivadika,
Hanomboka izy izany hisaina ahy ho mpamitaka.
Fa izay minitra izay dia minitra nanadala.
Nampitranga ady maro sy nandrotsaka tomany.
Nitondra hirifiry izay nanosika ahy hiala,
Satria maro ireo tsy tanty na dia saika hiafina ihany.
Angama fahadisoako ny namadika tsy nahy.
Ireo teniko maro isa nilokako taminy fahiny.
Sahy ihany aho re satria feno loatra ny ahiahy.
Vitako ilay izy, fa aoka re tsy ahazoko tsiny.
Iny ora sy minitra iny no namohizako ilay ady,
Nanontonako ny heriko sy ny faharetako.
Tsy hoe tsy fitiavana tsy akory fa reraka nitady
Hasambarana sy fafiny ireo karazana hetahetako.
Iny ora sy minitra iny no namelako azy ho irery.
Namonoako sofina tsy hiaino ny taraina.
Orako, minitrako, mbola nahazoako tery,
Hanefako aminy ireo izay efa nolazaina.
Fa nandà aho, sy ninia narenina.
Nijery ireo ratrako ka tsy niraika...
Maty tao an-tsaiko izay mbola ho ala-nenina
Sy hoe hanefa ihany izay filàny efa maika.
Angamba izy hilaza fa niova ilay lanitra.
Toa feno raho-mainty mitatao sy manetroka...
Lanitra ihany io, ary satriko hafinaritra,
Fa nifandimby teo ny baliaka sy ny matroka.
Izao nefa ny ora sy minitra ahalelovana,
Fa ho alahelo ihany, fa tsy misy nenina.
Nifongatra ny lasa izay tsy tiako ho tsarovana,
Ka voatery nojereko ireo sary nitamberina.
Dia henoko ny saiko mandrisika ny foko,
Hamafa ireny amin'ny fanadinoana.
Ny saiko efa sahy, ny foko mbola mihoko,
Sy miloka fa ny ho tsy tia azy dia mbola tsy azo inoana.
Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, 18 sept 2022,
Teto Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Herizo Ravonjison AndrianitsiahyNampiditra : zonytsiahy
Daty : 08/04/2025 19:59
