Iny ianao ry Alina (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny ianao ry alina nandaniako ranomaso,
Nanavesatra fanahy sy nisarika toloko.
Toa tsy nitseranao akory na nasinao henamaso,
Fa navelanao harary sy alahelo teo ny foko...

Ry alina mangina nampitady fitsaharana.
Ady mafy no niadiko tao anaty fendrofendro.
Solafakao anie aho nanantena hasambarana;
Ka tsy te hierika intsony raha andro koa ny andro.

Ry alina esory ity nofinao mandreraka.
Hifohazako amin'ny tory nahasondrina ahy tsy nahy.
Nofinofy mantsy, izay lazainao tsy ho tanteraka.
Esory re... miangavy, raha tsy nomaninao ho ahy.

Ry alina meteza mba hamafa ny fahiny,
Dia ireo minitra sarobidy tsy mba mety hadinoko.
Tiako hionona ny foko voaratra tamin'iny,
Meteza mba hamafa ndrao laninao ny ranomasoko.

Ry alina veloma, fa tsy hisy intsony famangiana,
Nefa re raha misy ihany any aoriana hantra azonao omena.
Onero re ireo ranomasoko nilatsaka mangina,
Dia ho sambatra indray ilay foko mahonena.

Ravonjison Andrianitsiahy Herizo, 09-05-2022, 00:50, teto Antananarivo
--------
Rohy:
116 1
Mpakafy: tantelyorion
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.018