Afohezo (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afohezo

Fantaro fa rampitso hisy ora ahalatsa-panenenana;
Rehefa nitsahatra nitia ilay nandany fisasarana.
Hisy ranomaso ahatonga fiferotana,
Sy handrotika fitia ary hampisy fisarahana.

Raha ny androany feno tsiky, efa voarakotra...
Hazavana sy hatsarana izay efa tonga lafatra.
Fa rahampitso ihany ireny rehefa tonga ny tafiotra,
Mety hisolo aizim-pito izay tsy hitondra afa-tsy ratra.

Moa ny ampitso ho fantatrao raha tsy alefa ny vinany!
Fa saina maro anefa ny ahy no efa tonga tany ho any.
Ka izay hitan'ity masoko rehetra sy tsapako androany,
No hamaritako sahady izay rehetra hitranga amin'izany.

Soa anefa fa ny ampitso no mety ho simbaina,
Satria ny anio mbola tiako hiandrandraina:
Ilay fitiavanao mamy izay tiako hampifaly saina,
Androany ihany, fa rahampitso hiferotr'aina.

Sahy aho nefa hitomany rehefa tonga ny fotoana.
Sahy ihany hitoto-tany hidradradradra hoe nahoana.
Ka izay hitsangana hampahery dia ho sasasasam-poana,
Amin'izany, satria ny foko manontolo no efa vonona hisaona.

Any rahampitso hisy sentoko malefaka,
Ahiahy ihany anefa ka mety tsy ho tanteraka.
Ka ento mora re ny foko raha toa ka hisy fitaka,
Mba tsy haratra mafy izy rehefa tonga ny saritaka.

Mantsy ianao androany tia, fa manomana kion-dalana,
Hiverenana atsy ho atsy sy hifandaozana rahavana.
Etsy afohezo ity fiarahana sy fihaonana,
Mba ho fohy koa re ny andro laniako ho fisaonana.


Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, Andrianitsiahy, 06-05-22, Antananarivo
--------
Rohy:
61 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0156