Aleoko maty (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia misy olon-tiana,
Hitondra hafaliana.
Hampitony ny ato anaty.
Dia aleoko ihany maty.
.
Na dia ho azoko ny harena,
Vatosoa sy volamena...
Miampy vola iray vata,
Dia mbola aleoko ihany maty!
.
Na dia ho fanaperana avokoa,
Izay voajerin'ny masoko anaky roa.
Ka ho tsara daholo izay nolazaina ratsy,
Dia aleoko ihany maty!
.
Eny aleoko maty fa efa sasatra ny foko.
Ketraky ny alahelo sy ny toloko.
Tsy misy vahaolana azo heverina.
Raha tsy hoe ianao no averina.
.
Teneno izay nakanao tsy nahy,
Lazao izy fa tsy azy ianao fa ahy.
Asaivo averiny amiko ety an-tany,
Raha tsy izany dia aleoko maty ihany.
.
Nefa indray toa tsy sahiko,
Ny hamohy izany aiko.
Ianao ve no maty dia izaho no hitomany,
Aoka io tsy ho to fa ho tononkalo ihany....

ⓒ Herizo Andrianitsiahy Ravonjison
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
797 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111