You are here: home > Vetso

Anjaran'Andriamanitra - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Azo vakiana?

Rehefa misy ny tsy zaka,
Matetika,
Mandreraka,
Sy mampivala-ketraka,
Ka feno ny kapoaka,
Dia miseho ny haromontana,
Mahabiby ny olombelona!
.
Ka mahatonga azy ho sahy,
Mamotika ny maha Ahy,
Sy ny fanahy.
Manimba,
Ny maha olona ara-pomba,
Soa ka natao,
Nefa loza mitatao!
.
Voaratra,
Ny eritreritra,
Ka tezitra,
Ary tsy tanty,
Dia te hanao valifaty.
Izay tsy,
An'ny tena mihitsy!
.
Fa anjaran'Andriamanitra,
Ilay mpitsara,
Tena tsara,
Ny tsy rariny,
Amin'ny maso roa mitovy
Izay miantso fandeferana,
Ao anatin'ny korontana.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha