Avy taiza? (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avy taiza?
.
Avy niakan-drefana aho,
Saika hividy voninkazo!
Mba hasoloko ilay ao,
Indrisy anefa fa tsy nahazo!
.
Dia nitohy aho niantsinanana,
Hitady hanina hafa any,
Fa nankaleo ahy ny vary amin'anana,
Nefa aretin-tenda no azo tany!
.
Nianantsimo no nanohizako ny lalana,
Saika hoe hanorina fonenana any.
Nefa nalady tsy tamana,
Noho ny ady an-trano tany.
.
Ka lasa indray aho nianavaratra,
Hanarato patsa hakana rony.
Hanalana ny harerahana,
Saingy tsy patsa kay ny tany fa amalona!
.
Izany lesy zandry no diako,
Nefa tsy nahazoako aina mihitsy!
Ny mamy no nozahana tany,
Kanjo ny mangidy no enti-mody.
.
Saika mba hijery tany tsaratsara,
Fa efa leo an'i Gasikara.
Be ny tany, be ny tany,
Fa hafa ihany Gasikara lesy.
Be ny mamy, be ny mamy,
Fa mamy lavitra noho ireny kay ny Gasy sy ny vita Gasy!
.
Nosoratan’i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
760 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149