EKEKO IZAY NEKEKO! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tia aho,tia anao tsy nihahotra!
ny hilaza anefa aho matahotra!
toa tsy sahy fa miahiahy,
toa tsy mba lehilahy!

-Ry tiako mendrika!
matahotra aho ka rendrika!
nefa ianao anie mba toa ahy;
nofo,vatana,fanahy!

-Tsy ianao anefa no atahorako,
fa ny valin-teny avalinao ny fitiavako!
ilay teny,fanotaniana hotolorako!
Eny sa tsia rahavako?

-Koa eto izao,
no anekeko anao!
tia aho,tia tokoa,
manantena ny hiarahantsika roa!

-Tsy vazivazy sanatria,
fa porofom-pitia!
ho ataoko hitanao,
lay fitiavako tsy kilalao!

-Vonona aho,
hitia tsy hitalaho!
tia tokoa anao,
izay no fanekeko vaovao!

-Koa raha tsy tsaroako!
izay teny nolazaiko,
ao ny Ray atahorako,
eo anatrehany,ireo voadiko hajaiko!

-Ka ekeko izay nekeko!
hosoratan'ity peniko,
ny tsy hitia anao,ataoko tsy ho reko!
alaviriko,sanatria ho teneniko!

-Tia aho,tia anao tsy nihahotra!
nefa ny hilaza aho matahotra!
tsy sahy fa miahiahy,
toa tsy mba lehilahy!

=>Teto Analamahitsy ny 22oktobra 2015, 19h 18mn nosoratan'i RAVONJISON HERIZO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1233 1
Mpakafy: zonytsiahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143