Filazana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Filazana.
.
Ilazana isika vahoaka malagasy.
Fa misy vahiny hoavy atsy ho atsy.
Aoka samy hiomana ny isam-baravarana.
Amin'ny fandraisana izato vahiny sy amin'ny fitehafan-tanana.
Ilazana ny iray tanàna,
Fa hisy balina mafàna.
Hifangaro amin'ny lainga tsara rafitra.
Koa tongava ny akaiky sy ny lavitra.
Mandraisa anjara raha te ho kirana.
Bojy mantsy io ka tsy olana ny fidirana.
Sady misy fanomezana omena:
Vary iray kilao, fa fefany ny hena
Miampy ankanjo io,
Amin'ilay vaovao misy soratra hoe fidio.
Ka mihomana raha te hitondra mody.
Nefa koa mahatantesa amin'ny tody.
.
Ilazana ianareo.
Indrindra fa ireo ampy taona ireo...
Fa hisy hividy amin'ny vola sy ny ankanjo ary ny vary iray kilao.
Ilay safidy sy ny vato alatsakao.
.
Ilazana, ilazana e.
Ataoko fao be
Ilazana mba samy hamatotra ny alika.
Sao ireny hanaikitra ny vahinintsika.
.
Ilazako farany ary isika,
Fa hisy fifidianana atsy ho atsy...
Miomana fa hoavy ny mpanao politika.
Izay hovahinintsika gasy.

Nosoratan'i Herizo Andrianitsiahy Ravonjison
--------
Rohy:
623 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151