Hafatro an'i Ragasy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko ihany hangina;
Hijery fotsiny izato lalan'i Ragasy!
Saingy aleo tenenina ihany,
Sao mahatonga nofy ratsy!
*
Sao mantsy adinony sahady,
Ka hanahirana eto indray.
Ilay izy nisy nandaka ho any an-kady,
Folo taona lasa izay
*
Daka tamin'ny lokalokam-piovana,
Miampy veliranom-pandrosoana!
Nefa angaha izany akory no nitranga,
Fa fahantrana lalim-paka!
*
Rava teo daholo ny fananana,
Ny harena koa tsy nisy niangana!
Iza no nandaka tamin'izany,
Tsy iza fa ilay efa fantatrao ihany.
*
Tsy ampy folo taona hoy aho izay,
Ka sao tsy mbola fay!
Ô Ragasy havako tsy foiko,
Tiako loatra ianao ka mba hanariko!
*
Satria reko indray mantsy!
Fa mihaodihaody any,
Ilay nisoavaly anao fahiny,
Folo taona lasa izay!
*
Ka sao hanaiky fanindroany,
Ho vidiany amin'ny volany!
Aza misy akory izany marina,
Fa izay ianao vao tsy ho tafarina!
*
Izaho akory tsy miteny,
Hoe valio faty ireny nataony anao ireny!
Soa lavo lesy hahay mamindra,
Ary soa ko rava hahay handrindra!
*
Any izao izy any!
Mody misary masina ivelany.
Sy mampanantena pokaty ho anao Ragasy,
E! Asa ianao raha mbola hino azy!
*
Farany ny ahy dia izao,
Tsy misy iraharahian'iny akory anao!
Satria raha nikasa ny hanasoa anao izy,
Dia tsy namotika ny zavatra efa nisy!
*
Saingy ianao moa tsy nahalala,
Voasodokan'ny antsahantsan'ny hoe malala!
Nefa ny harenanao rehetra avy eo dia very,
Nanamboaran'ny trano ho azy irery.
*
Io vola zarainy aminao io,
Ny vidin'ny ankanjo zarazarainy iny.
Tsy misy azy ireny akory,
Fa ilay anao nalainy an-tsokosoko tamin'izany!
*
Izao no hafatro Ragasy,
Andeha hifidy isika atsy ho atsy.
Izay no ampahatsiahivako ny omaly,
Ndrao indray mbola hifidy azy!
*
Tandremo ny famindra,
Ny olona fidiana indrindra indrindra!
Miakina amin'izany mantsy,
Ny hoavinao rehefa any aoriana any.
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
576 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148