Hanina (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antson’ny manina,
Fitia te hanembona anao!
Mahatonga ny sangodim-panina,
Misarika ho any aminao!
.
Fa tebitebin’ny sasa-miandry,
Tahotra ny ho very ny sampiny!
Ny foko no tsy mety mandry,
Ny ihavinao no tsy andriny.
.
Erikeriky ny oram-panala,
Mamangy, mamonto ny tany!
Fa ny hanina anao re ry lala,
Mitondra ahy mankany mankany!
.
Mankany amin’ny alahelo,
Tsy hita izay ihafarany!
Mirongatra toa sarin’avelo,
Ny hanina izato hatsarany!

RAVONJISON ANDRIANITSIAHY Herizo, taona 2017
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
710 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149