Hanomezo - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Azo vakiana?
Raha mbola misy teny mamy,
Sisasisa anatinao any.
Dia mba hanomezo kely!
Fa efa reraky ny mijaly.
Raha mbola misy hantra,
Azonao zaraina.
Dia hanomezo ny mahantra.
Fa aza avela hi
pitrapitra,
Raha mba manana ny ampy,
Safosafo, tambitamby.
Aza tanana irery,
Fa hanomezo izay mitady.
Hanomezo izay mba misy,
Na dia tsy satry ny hangataka.
Fa ny fiainana miha ratsy,
No manosika ho latsaka.
Tsy hakanosana na hakamoana.
Nanao ihany fa tsy nambinina.
Ka hanomezo izay mba misy.
Tsy hafa akory izay, fa havana ihany!
Nefa kosa raha fandatsana,
No azonao omena.
Mahasoava ihany ho anao,
Fa aoka izay ho amin'izao.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
Sokajy :
Fahatsiarovana, fananarana, fiainana, Fianakaviana, Fiaraha-monina, Fiononana, Fitiavana, Hambom-po, Hanina, Namana, Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 19/03/2019
Mpamangy : 595
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AminyOmeko anao daholo izay ts
Lafatra r'Iaina no fetra
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA
Misy reny tsy miteny