HOSOLOIKO IANAO (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry tiako.
Nefa alako ny toetranao!
Ankafiziko fa hanifihako,
Ny fitiavana anao.

Ahiliko fa tsy andriko,
ela loatra ka alako.
Hosoloiko ianao na dia mamiko,
esoriko aminao ny fitiavako.

Dia hafindrako any an-kafa,
R' ....., hosoloiko ianao!
Vonona aho ny hamafa:
"Ny fitiavana anao."

Eny hamafa azy rehetra,
mety ho sarotra,mety ho mora foana!
Veloma r' ...... , veloma tsy voafetra.
Veloma ianao,veloma mandram-pihaona.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
950 1
Mpakafy: zonytsiahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144