I Neny (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao manako any ho any!
Hobiana, omen-daza eran-tany;
Fa avy aminy no nahenoko ny hoe "Mamy"!
Ts'iza fa i Neny izany.
_____________
Ilay tanamasoandro mitsinjo maraina!
Ilay diavolana mampionon-tsaina;
Ilay tokana an-tany mamaly taraina:
I Neny ihany no tiako lazaina.
______________
Inay aho solafaka ka sendra narary!
Voadona koa ka tsy zarizary!
Ny mamy amiko mihoatra ny fary:
Dia i Neny, tokana tsy mba manary.
_____________
Izany no akantony,
F'inona no tanjony:
Ny hahatafita anao sombiniainy,
Izany no mila hamoizany ny ainy!
--------
Rohy:
Sokajy : I Neny
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147