Ianao ilay tiana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra safidy,
Ka hoe hifidy,
Dia mbola ianao ihany.

Ka na dia hisedra ny mangidy,
Sy hibaby ny sento lafovidy,
Dia tsy hivadika aminao izany.

Eny koa mety ho tojo fahoriana,
Ka manadino anao tsy iniana,
Azafady f'izany no fomban-tany.

F'izaho hiteny f'ianao ilay tiana,
Ilay mety hitondra amiko ny hafaliana,
Raha sendra aho ka tomany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104