Ilay antsika isasahana! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy ny fahoriana,
mety ho soa ny fifaliana!
Mandalo anefa izany,
miserana eto an-tany!

Kanefa ho ande-zaraiko,
hitovy sy sahala!
izay anao lalaiko,
ry tiana sy malala!

Hoampitoviako,
sanatria antongilako!
Ho anao mira ho ahy,
ho an'ny saina,fo,fanahy!

Amin'izany tokoa,
dia hitovy isika roa!
Sanatria ny anao tsy ahy,
tsy misy mampanahy!

Ka raha diso mavesatra,
ilay nozaraiko be loatra!
zakao mora f'aza ketraka,
raha analana misy mihoatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
905 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156