Ilay Tiako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny androko nihamaloka,ny foko te hatory,
nanjavona toa aloka tsy hitako akory,
ilay olon-tiako indrindra,nijojo avy toa erika.
Ny foko mitomany tsy mitsaha-mierika!
ilay sarotra fafindra no vao maika nanavandra,
ngoly ny ao anatiko ka naleoko niandrandra ny lanitra!
Hampivaly ny fivavako,
ny fitiavanao ry Voahary,
hitsikin'ny fitiavako,
tena izy fa tsy sary.
Tadidio fa tiako ianao
fitiavana madio,sanatria tsy kilalao!
resy aho ka raha vao maraina,
dia indro ny anaranao no ato an-tsaina!
fifalian'ity foko ny mijery ny fitsikinao,
io no entiko matory hanofisako anao,
fitsiky tena mamy!
raha rano,tsy mba ho ritra,tsy ho lany!
ka henoy ny antsoko miantso ny fonao!
valio androany raha mba azo atao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148