Ilay tokako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra ory ka lasa tomany,
Dia izy irery ihany no hany antsoiko.
Hiandrandrako teny mamy.
Hampionona ny foko.

Raha tojo izay nirina,
Na koa hoe mirana ny foko.
Ka mba te hizara hafaliana.
Dia mbola izy no antsoiko.
.
Ka raha sendra tsy salama,
Dia izy no tomany sy tsy mipetra-body.
Mikaroka vola sy mivarotra fananana.
Hivangana fanafody.
.
Iza ary izany raha to fantatrao,
Mahasolo ny havako sy ny akamako tsy foiko.
Olona tokana tsy mba mandao.
Dia tsy iza fa ilay andefimandriko:
Izay antsoiko hoe: "Vadiko"
ⓒ Herizo Andrianitsiahy Ravonjison
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1070 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015