MADAGASIKARA (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikarako!
ilay nomena ho ahy ho fananako,
nanombohana sy hiafaran'ny tantarako,
sy hapetrako ho lovan'ny taranako!

Eny,tanindrazako!
tany nihaviako!
malagasy,ianareo no havako!
hanoratako ny fitiavako!

Ry malagasy namana!
na any andrefana na antsinanana!
mpihavana isika,mifandraisa tanana!
ndao iray,na ory na manana!

Ety am-pamaranana,ho antsika!
Misy hafatra ity misoratra ho tantara!
tokana ny tany nihaviantsika:
Tiavo MADAGASIKARA,nosy tsara!
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1033 1
Mpakafy: nisi77
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173