Mankany am-pasana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanefitry ny aretina,
Dia ny fanafody ihany!
Fa ny fanefitry ny naratra,
Dia ny mitomany!
*
Azo atao anefa ny misoroka ny aretina,
Dieny mialoha!
Azo atao koa noho izany ny mitandrin-tena,
Dieny mbola tsy nisy nahavoa!
*
Feno mpisetrasetra mantsy eto,
Izay tsy misaina afa-tsy ny hanimba firenena!
Dia ireo izay manana fo vato,
Maneho an-kolaka ny fitiavan-tena!
*
Ny hendry tsy mba mampiasa basy,
Hevitra ny azy no entina miady!
Fa ny adala rehefa misy manindrinindry azy,
Dia mailaka ery izy hampiasa sandry!
*
Ny tany fandalovana,
Tsy natao hijanona.
Ka raha hisetrasetra foana,
Dia izay ilay hoe maty nefa velona!
*
Lalana mantsy ny fisetrasetrana,
Dia lalana mankany am-pasana!
Fa tsy fantatra hoe iza no mety ho lasa any,
Ilay nisetrasetra ve sa olon-kafa mihitsy!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
634 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015