Mifona (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifonana ry zandry,
Ireo anatranatra rehetra.
Izay niloaka avy any anaty,
Nefa noheverinao tsy ho tsara!
*
Hifonako daholo,
Na ny bedy na ny teny,
Na ny toro na ny fefy,
Fa tsy hamerina an'ireny!
*
Hifonana ny noheveriko ho mamy.
Kay nangidy tampoka ny tsirony!
Dia avereno amiko ry zandry,
Izay sisa ambinkambiny any!
*
Raha toa ka tsy misy intsony,
Tavela anatinao,
Faran-teny miala-tsiny.
Hoe afa-nenina aho!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
908 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153