MISAONA (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa maty ato am-poko,
ilay fitiavana fahiny!
dia hisaona aho,hitoloko,
f'aza omena tsiny!

Misaona,mangina ny rehetra!
tsy hifaly intsony,
satria tsy mamam-petra,
ireo fijaliana ato am-po zay ts'inoany!

Tsy hisy hino,
satria efa maty lay niangarana!
izay mahita manadino,
raha matsiaro anefa mialangalana!

Dia hisaona foana!
izay mahita tsy hisy hampionina!
tsy hoe nahoana:
fa ny toa anay tsy azo hatonina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
964 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157