Ny amiko ho anao (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanako, ho ahy irery ny fonao.
Fananako, izay rehetra momba anao.
Katsanako, izay manaratsy anao.
Faranako, ny toetra alanao.
_____
Fihiniko, izay voakasikao.
Mbanjiniko, izay rehetra sarinao.
Ampanginiko, izay mety hanimba anao.
Rindriniko, ho ahy irery ianao.
______
Ho tiaviko, izay rehetra tinao.
Holaviko, izay ankahalainao.
Hotadiaviko, izay maminao.
Hodiaviko, ny lalana tinendrinao.
_______
Omeko, izay ety amiko tinao.
Ekeko, izay rehetra voalahatrao.
Tereko, izay tsy manaiky anao.
Fefeko, ny foko ho anao.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1000 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148