Ny lahy sy ny vavy! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lahy sy ny vavy dia tsy mitovy velively,
Ka aza atao mihitsy ny manasahala azy!
Ny lahy amin'ny maha lehilahy izao mantsy!
Dia tsy ho vavy mihitsy mihitsy.
*
Hita taratra io ao anaty fiaraha-monina,
Ny lehilahy ao manana ny manavaka azy!
Izay tsy azo esorina aminy na oviana na oviana,
Dia hoe izy irery ihany no mandeha mangata-bady!
*
Dia toy izay koa anie ny vehivavy,
Manana ny hanitra izay manavaka azy!
Izy irery, dia izy irery ihany,
Mantsy, no omena izany vodiondry izany!
*
Kanefa indraindray mifamadika ilay izy,
Tsy fanahiniana akory fa teren'ny zava-misy.
Ary koa ny fiainana nihamafy,
Dia lasa lahy ny vavy ary ny vavy lasa lahy.
*
Ao kosa anefa ny niniana natao,
Lehilahy mitady ho vehivavy tsotra izao!
Ka mamadika tarehy, fiakanjo sy fiteny,
Ny sasany ary moa nandalo fanovana taova mihitsy!
*
Dia toy izay koa ny vehivavy,
Izy indray izao no te hikaoty bandy!
Asa angamba raha sasatry ny miandry,
Dia aleony mihitsy izy no mandeha mangata-bady!
*
Tsy ny mpanoratra eto akory no mamorona,
Na manao ho be lazao mahita hatao!
Fa ireo dia hita ao anaty fiaraha-monina,
Ary efa iainana isan'andro mihitsy amin'izao.
*
Kanefa na tiana na tsy tiana,
Tsy nisy ankifidy raha ho eto an-tany!
Fa lahatra Andriamanitra no tsy azon'iza hialàna,
Noho izany tsy azo hafamadika ny lahy sy ny vavy!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
938 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145