Ny marina (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy entina miady,
Ny hatavezam-pahalalàna.
Saingy mamarina any an-kady,
Raha hanapotehina ny marina!
.
Mahasoa ny mila,
Ny habetsahan'ny harena.
Fa mampivaralila,
Raha hanitsahina ny marina!
.
Aleo mitafy lamban'ondry nolokoina,
Izay tsy azon'iza hambaniana.
Toy izay hiravaka voangy sy volamena,
Izay azo tamin'ny tsy rariny mahatonga habokana.
.
Ny marina no sarobidy indrindra,
Ka aleo tsy manana hilaminana.
Fa manana ny marina mahasambatra.
Toy izay manana kanefa mbola holatsaina!
.
Satria ny marina mamadika ho lavenona,
Ny manitsaka sy ny maneritery azy,
Fa manavotra ny miaro ho ela velona,
Rehefa any aoriana any!
.
Na rahoviana na rahoviana,
Tsy hazon'iza afenina izy.
Eo anivon'ny mamiratra nohitsahina,
No handrenesana ny feony!
.
Miteny amin'ny fotoana tsy voafaritra,
Toy ny feon'antsiva ny marina.
Ka na andro iray na roa na telo na efatra,
Tsy maintsy mifoha na kasaina afenina!
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
790 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157