Ny raozin'ny fitiavana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy voa nafafin'ny efa sambatra,
Izay nitsimoka ho hazo goavana.
Tao anatin'ny sahan'ny mahantra,
Izay nantsoin'ny zanaka vavin'ny mpanjaka hoe fitiavana!
.
Nahafinaritra azy ny hakantony,
Indrindra fa ilay raozy isaky ny sampany.
Niangavy ny mpamafy izy tamin'izany,
Mba hanome azy ity farany!
.
Rehefa azony ilay raozy,
Dia nentiny nody tany an-dapany,
Ka nataony tao anaty vazy,
Ary napetrany teo an-doham-pandriany!
.
Nahita ilay raozy ny mpanjaka,
Dia naniraka ny miaramila mba haka.
Voan'ilay raozy any amin'ny mpamafy,
Ho ambolena ao aminy!
.
Dia naniry tao an-dapa ny hazon'ny fitiavana,
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
775 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144