Ny tena mpanao tononkalo (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena mpanao tononkalo mikalo,
Ny zava-drehetra izay hita mibary.
Vonon-kanandradra sy hikolokolo,
Ny hasin'ny olona sy ny zava-boahary.

Ny tena mpanao tononkalo mazaka,
Mijery ny haratsin'ny fiaraha-monina.
Tsy mijery mandatsa na koa manenjika,
Fa mitondra vahaolana sy fanatsarana.

Ny tena mpanao tononkalo tsy miandry,
Mandray andraikitra faingana.
Ny penina ny azy no solon'ny sandry,
Entiny miady amin'ny tsy fahamarinana.

Ny tena mpanao tononkalo mitady,
Vahaolana foana ao anatin'ny olana.
Tsy mba manaiky ho resy tsy miady,
Manoratra foana raha mbola misy fotoana.

Ny tena mpanao tononkalo tsy irery,
Ka aza lazaina fa mampalahelo.
Manana mpiambina izy mijery,
Tsy miato ny lalan-kalehany.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
778 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011