Omeko anao daholo izay ts (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeko anao daholo izay tsara rehetra rehetra
Fa ny tsara rehetra anefa ve misy fahataperana
Fa raha tany koa ny tany izay mety ho fanaperana
Dia hanomezako anao, ho anao tsy misy fetra

Omeko anao daholo izay mamy tena mamy
Fa ny mamy koa ve mety mbola hisy fitsaharana
Fa raha aina koa ny aiko tsy hitandroko hasasarana
Hampifaly anao raha sendra ianao tomany

Omeko anao daholo izay fantatro fa lafatra
Fa ny lafatra koa ve mety mbola hisy hirifiry
Fa raha misy ady na firy io na firy
Dia hatrehiko daholo raha fantatro fa mahasambatra

Satria, feno ny fitiavako, izay ahazoko tsiny
Fa raha feno koa ve nefa mbola hety ho ritra ihany
Fa raha miaina koa ny foko, izy hameno indray izay lany
Dia ho sanatria anao izany hoe hisy fijaliana izany...
--------
Rohy:
480 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736