Sakaiza tena tia (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra fahoriana,
Na nilaozan'olon-tiana.
Ka tsy misy mampionona,
Dia ilay sakaizako hatonina!
.
Na koa sendra olana goavana,
Nefa tsy mahita tany diavina!
Aza kiviana aloha ny tena,
Fa ndehana ilay sakaizako jerena!
.
Ilay sakaizako mahatoky,
Fa antsoinao hoe BOKY!
Amiko sakaiza no hiantsoko azy,
Mpitondra tsikitsiky, mpitondra vazivazy!
.
Ny BOKY ry sakaiza no tena hoe sakaiza,
Manabe ny tena ary koa mitaiza.
Mitondra fahalalana hampamiratra ny saina,
Ahatonga antsika ahomby amin'ny fiainana!
.
Apinga kely fampiasa rehefa miady,
Arofanina manohana tsy hivarina any an-kady.
Sakaiza tsy mamitaka amin'ny fanomezan-toky.
Izany rehetra izany no andraikitry ny BOKY!
.
Sakaiza tsy manavaka tarehy no tsy mifidy toetra...
Tsy an'olon-tokana fa an'ny rehetra!
Sakaiza tsy mba miavona rehefa misakaiza aminy,
Manampy an-tsitrapo, fa tsy mitaky tambiny.
.
Ho an'ny zaza mba te hamaky teny,
Mila BOKY ho namany izy ireny!
Eny fa na ny tanora na koa ny antitra,
Mila BOKY ianareo raha te andeha lavitra!
.
Mpanoratra: Herizo Andrianitsiahy Ravonjison
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Namana - fiainana
1109 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149