Sanatria raha hisy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatramin'izay aho niantso tiana,
Fa tsy nataonao nisy vidy.
Ireo fihafiako tsy voaisako niniana,
Tsy nasianao tombam-bidy.
Izao voarovitro ny zaitra,
Izay nataoko tsara kolo,
Namehezako ny tsara rehetra,
Izay hoe omeko anao daholo.

Moa ve izaho no tena jamba,
Ka tsy mahita ny ataonao.
Fa mody fanina aho, f'angamba,
Mety hatsapa tena ihany ianao.
Dia nihafiako ny fotoana,
Izay nandravarava teny,
Miampy ireo lalana mikotoana,
Fa tsy nahakivy tamin'ireny.

Ireo fiaretana rehetra,
Tsy nasiako fanerena.
Isan'andro aho dia voaratra,
Fa niniako tsy jerena.
Fa hoy aho tantiko raha mafy.
Tsy natahotra aho ny ho faty.
Ka izay fery izay mifafy,
Nataoko tsara hidy tato anaty.

Dia ny endriko hitanao,
Feno sary miramirana.
Fa ny ao anaty foko ao.
Efa manomboka sahirana.
Fa raha andro koa ny andro,
Tsy mba nisy aho nitaraina.
Izay tsy tantiko isan'andro,
Ireo niniako tsy nisaina.

Izay ala-nenina efa vita,
Izaho angamba efa teo.
Na hahita na tsy hahita,
Izay fiovana rehefa avy eo.
Fa nefa lany ny ala-nenina,
Ka hotaperiko ny ady.
Hivily lalana aho hiverina:
Any an-kafa indray no hitady.

Te hiteny aho hoe " tsy tia intsony",
Fa manahy aho sao hitomany.
Fa raha izay moa ny hampitony,
Dia lazaiko ihany izay androany.
Ndrao heverinao adala,
Raha hisisika hanohy ny nofinofiko.
Ka aleoko misafidy miala,
Sao ny haiko mihitsy no hafoiko.

Dia ilay tiako vaovao,
No hotolorako ny tanako.
Azy indray aho izao,
Ka azy koa izay fananako.
Tsy misy anao intsony,
Na ho ratsy na ho tsara.
Efa izy indray no tompony,
Sy vonona hikarakara.

Dia izay fa hoadinoiko marina,
Ireo tantara sy ireo daty.
Raha hoe ireny no miverina.
Dia misafidy aho ny ho faty.
Izay ilay ora farany,
Mangidy tsy misy mamy mihitsy.
Ka ny hiverina amin'izany,
Tena mba sanatria raha hisy!
--------
Rohy:
469 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162