TAVELA ILAY SARIVATO! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Raha nitia aho,eny nitia!
tsy mba naharitra ela!
satria nangatsiaka ilay fitia,
ka sarivato sisa no hany tavela!

-Tavela tato anaty,
tsy hay na velona na maty!
satria tavela tsy ho fantatra intsony!
tsy hisy handre ny fitempon'ity fony!

-Fa satria sarivato,
no nidînà tato am-pasana!
dia mitamberina tsy mihato,
ato an-tsaina ilay fitia ilefasana!

-Ilefasana satria!
mandondona ahy foana,
manangatra ilay fitia,
mampatsiahy ilay fotoana.

-Fa dia nahoana moa,
efa fotoana maro izay,
fa maninona indray izao vao mifoha!
hampitamberina ny fahizay!

-Asakasakao ry rakitry ny ela,
r'ilay sarivato mbola tavela;
ilay efa voahidy nefa nivaha ka tafandositra,
no mbola hanakotaba ny ratra tsy voakosika!

-Andeha ary ahato!
hosamborina ilay sarivato!
ka alevintsika anaty lalina,
tsy hanelingelina na maraina na alina!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
879 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103