TIA FA..... (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1- Raha misy ny mpisolo vava!
Azoko hampitondraina izato teny!
Dia tsy handrasako ny mazava,
fa na alina aza irahiko izy ireny.

2- Satria tia aho fa miahotra,
tia anao fa matahotra!
Ny hilaza izany aho tsy sahy,
Tia fa miahiahy.

3- Dia hoy ianao hoe " tsy lehilahy ",
ity izaho izay tsy sahy!
Tsy ianao marina no manambara,
ka dia mahasahy mitsara.

4- Fa maninona moa!
Raha tonga dia tsorin'ity fo tsotr'izao!
Tsy mila vava hampiray antsika roa,
fa mifankatia an-tsaina izaho sy ianao.

5- Andeha ary ataoko an-taratasy,
hosoratako ho anao!
Hoe tia fa tsy sahy,
satria matahotra ny valin-teninao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1073 1
Mpakafy: zonytsiahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148