Tiako ka tsy ariako, Na l (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ka tsy ariako,
Na lazainao fa tsy fanaperana.
Tiako sy lalaiko fa marary ny aiko,
Ka tsy sahiko ho ferana:

Ny foko oriory izay mikatsaka sahady,
Hasambarana eo akaikiny
Na dia iantsoanao tody sy hoe fady
Ary tsy ahazoako rariny.

Nefa aho sahy hiteny fa mbola ao anaty,
Ilay fitiavako voarara sy nahazoako fijaliana.
Raha nolemanao sy nopotehinao ho faty,
Sy noheverinao nangina.

Kanjo nisy setroka nidonaka,
Tao amin'ilay nosaininao nikoro...
Tsy maty hoy aho satria nataoko lali-paka,
Ny fototry ny fitiavako mijoro.

Izao izy misy hery sahy hiady sy hipaoka,
Ireo nataonao ho sakana mametra.
Hamela ny haromotany hivoaka,
Sy anao vali-faty efa mameno ny eritreritra.

Vali-faty feno rangitra sy ditra,
Ary setrasetra mahatsiravina.
Vali-faty raha toa hitohy hanohitra
Ireo fitsipika sy didy efa tsy azo lavina.

Vali-fatin'ny fitiavana izay tsy misy fitsitsiana:
Tsy hitady fandaharana sy azafady.
Fa feno fandratrana sy hirifiriana,
Efa vonona ho anao raha toa ianao hiady.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148