Tomanin-tsakaiza (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tomanin-tsakaiza tsy mba alahelo,Fa tomanim-pitiavana alefan'ny hanina.
Sarihan'ny tsiahy izay mamelovelo,
Tonga eo amin'ny maso fa sarotra afenina.
Ny tomanin-tsakaiza tsy vesatra anaty.
Fa porofom-pitiavana tsy misy nenina.
Voaentan'ny tsara izay tsy mety maty,
Aseho amin'ny maso fa tsy misy pentina.
Ny tomanin-tsakaiza tsy mba fitsetra,
Satria hafaliana tsy zaka bataina.
Tsy nanana ny ampy fa sakaiza mpisedra,
Izay azony teo dia nifampizaraina.
Ny tomanin-tsakaiza tsy tomanin'adala,
Fa tomanim-baholana mahita ny hatao.
Tsy mba misy nenina ka atahorana hiala,
Ô... Fitiavana izany raha tsy fantatrao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Herizo Ravonjison AndrianitsiahyNampiditra : zonytsiahy
Daty : 18/10/2022 13:23