Tonga ity ny taona (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga ity ny taona hisokafan'ilay foko
Izay nakaton'ny fotoana mba halemy sy harofy
Rehefa nisy saina diso izay nikomy sy nihoko
Nanohitra azy mafy mba tsy ho sahy hanonofy

Tonga ity ny taona hiverenana amin'ny tanjona
Izay tsaroako ihany, fa efa voakajy tsara
Fa saingy nisy sary hafa nisisika haka toerana
Nahafafa ireo soritra mahitsy sy vita karakara

Tonga ity ny taona hivadihana ho modely
Rehefa nahavita niaina ireo fotoana maro very
Hitsanganako mba ho mpitarika mpanely
Fanantenana amin'ny maro efa drodroka sy kely hery

Tonga ity ny taona hanisahana ireo ratra betsaka
Voatahiry any anaty foko sy saiko lalina any
Mba tsy hisy afa-tsy fadiovam-po no hipetraka
Sy hitarika ahy ho eny amin'ilay tanjoko androany

Tonga ity ny taona hanaovako veloma sy hanadinoana
Ireo heverina fa fy sy tsara nefa tsy misy soa akory
Indrindra ireo malemy sy mampandemaka finoana
Ka hosoloina hafa sahy mifanosika amin'ny ady mahaory

Tonga ity ny taona hialana amin'ny fo feno hatezerana
Izay manosika ahy nihidy tsy ho sakaizan'ny rehetra
Hokosehina ireny ary hosoloina fandeferana
Mba ho taratra eny amiko ireo tena tokony ho toetra

Ka tonga ity ny taona efa mampiomana sahady
Fa tsy hisangiana ireo ady sy tolona miandry
Ka izay hita rehetra rehetra fa manakana ny hoavy
Ndeha hohitsahina re sy akoro tsy akiandriandry.


Herizo Ravonjison Andrianitsiahy, 29 août 2024, Antananarivo
--------
Rohy:
136 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0588