Tsy embona Raha toa ka ma (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy embona
Raha toa ka mahatsiaro
ilay natao fahiny izaho,
tsy hoe manembona,fa fantaro.
"tia ,tsy hitalaho"

Sanatria,olombelona tokoa.
Ka tsy ferana hitadidy!
Ilay tantarantsika roa,
mety mamy no mangidy.

Tsy embona tsy akory,
fa tadidy mba nandalo.
Nifoha rehefa avy resin-tory,
niala tsy nivalo.

Tsy embona ka hisaona,
fa fisainana lasalasa.
Eny ,raha mahatsiaro ilay fotoana!
Dia nanganohano,ny ranomaso no nanasa.

Nanasa ilay tavako manjombona,
ilay nitadidy vetivety anao!
Tsy embona, eny tsy embona,
fa nandalo ny fitiavana anao.

RAVONJISON Herizo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156