Tsy ho vonoiko (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia efa manakaiky ahy ny tadio mifofofofo,
Sy ny akon'ny onjany misafotofoto!
Izay misosa tamy hamono izato afoko!
Dia tsy atahotra ny haizina dondoniny ny foko!
____________________
Ka na reko aza ny kotroka ,
'Zay toa milaza fa ny androko efa maloka!
Ka manambana ny avandra sy ny orana fa hilatsaka,
Dia tsy hovonoiko ny afoko f'avelako mbola hidonaka!
___________________
Eny mety tsy misy azo atao kitay intsony ireo hazo nokapaiko,
Na koa ringitra daholo ireo bozaka noheveriko alaiko,
Dia tsy vonoiko velively ny afo, fa ezahiko,
Ho tsofina hirehitra hanafana ny atin'ny fanahiko!
____________________
Ry afoko!!! Mahareta,
Dia raha mety mba mihareta!!!
Fa mbola hitsahatra ny orana sy ny tadio mikasa hamono anao!!
Andraso kely f'efa akaiky ho tonga ny evoka manitrao!
___________________
Aza mbola mandeha ry fanantenako,
Mijanona eto hampiononako ny tenako!!!
Andraso fa aza maika ny hisitaka ry longoko,
Mitoera amin'izato tranobongoko!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
836 1
Mpakafy: Ratin's
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147