Vehivavy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa raha samy hiloka ihany,
Amin'ny fiainana eto an-tany.
Satria tsy te ho diso fanantenana,
Dia aleo vehivavy no tohanana.

Moa koa tsy te ho sasa-poana.
Sao ho lany revy ny hasasarana.
Ny paosy tsy atokisana,
Ka aleo maka vehivavy hatao mpitantana.

Mba ho mandry ny eritreritra,
Ho voatsinjo ny rehetra.
Ny fiainan'ny taranaka any aoriana,
Indrindra fa ny mety ho fahanterana.

Tsy ny androany ihany mantsy,
Ary tsy vitan-tsangisangy.
Aleo homanina ny ho avy,
Aleo maka vehivavy.

Ny tena mantsy miasa foana.
Mazava ho azy, mihamafy ny harerahana.
Mba mila mpanafosafo ihany.
Nefa izany tsy vitan'i neny intsony.

Fa tsy izany fotsiny ihany,
No tena ilaivako azy.
Indraindray ny saina reradreraka,
Dia mba mila mpanoro hevitra matetika.

Ela ny ela fa haiko fa tsy lainga,
Ilay hoe tsy tsara raha irery ny lehilahy.
Ekena fa lohany, fa nefa dia mandringa,
Rehefa tsy eo ny vehivavy.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
1024 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103