Voaharin'ny Tsiahy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tontolo efa matroka,
Sarona zavona sy setroka.
Mitalaho, ka zary maha onena:
Mahasorena, raha jerena.
_____
Ny manodidina efa ngazana,
Ringitra ny ala maintso mavana.
Sola ilay tontolo kanto fahizay,
Ka na ny Voahary aza tsy misy intsony na ny iray.
_____
Fa diso be hetraketraka,
Ny olona tsy mahay mipetraka.
Ny tontolo rava toa tsy nahy,
Eny potika, ny Voaharinao ry Tsiahy,
_____
Ny Voahary manodidina,
No potika sy nosiparana:
Fa misy Voahary iray,
Tsy hety ho potika mandrakizay.
_____
Noforoniko tato am-poko,
Noharovako tsy ho voaloto.
Ny sarotra simbaina:
Dia ilay voahary silak'aina.
_____
Mibika misopirampiran'endrika,
Ilay misalotra ny toetra tena mendrika.
I Voahary, be tsiky manasondriana,
Izy, eny izy ilay tiana.
_____
Ny Voaharin'ny Tsiahy,
Dia tsy ny Voahary simban'ny vavy sy ny lahy.
Fa ilay Voahary, dia Voahary,
Tena izy, fa tsy sary.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
826 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153