Vokany (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hira fikaloko amin'ny andro ririnina,
No nandoaka ny foko ato anaty.
Ka nahatonga fery tsy mety afenina.
Sy aretina saika nahafaty.
.
Ny sioka fanaoko amin'ny andro lohan-taona,
No nanindrona ny saiko hitadidy,
Ka nahatonga ahy hanembona,
Ireo fotoana sy ny ora masi-mandidy.
.
Ny vaki-bokiko tamin'ny andro fahavaratra,
No nampahatsiahy ahy tantara matory.
Ka nahatonga ny saiko hisaina fa lahatra,
Ny nitiavako anao ilay tsy fantatro akory.
.
Ny fijeriko ny androko lasa,
No mety manjavona tsy azoko vinany.
Ka mahatonga ny saiko mandatsa,
Ny sary fikirin'ny foko mitomany.
.
Ny firedaredan'ny afo tanihiko,
No mampagididy ny ranjo izay efa valaky ny dia.
Toy izany koa ny foko,
Mangididin'ny fitia.
.
Ny firotoroton'ny fiainako tsy haiko hoe ho aiza,
No hiandrandraiko ilay diavola-mazava any ho any,
Izy irery no antenaiko hampisava.
Ny aizina manaloka ety an-tany.
.
Indrisy mantsy fa onjokonjoko izaho samy irery.
Ny misedra ity lalam-piakarako.
Mandeha tokana tsy misy mpijery.
Ka miantso anao ho namako.

.
ⓒ Herizo Andrianitsiahy
--------
Rohy:
642 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149