Zana-jovy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba zana-jovy loatra ity mandalo,
Koa tahaka ny tsy fantatro akory!
Manangan-tsiaro hampikalo,
Ny tantarako efa matory.
______________________
Mba zanak'iza leroa!
Itsy tazako mamakivaky?
Toa tamy mandondona hamoa,
Ny vavahady voatoham-pamaky.
_____________________
Iza iny zaza iny?
Iza fa tiko fantarina?
Tompon-tany sa mpivahiny?
Mpangalatra sa olo-marina?
______________________
Iza e? Iza mba ho antsoiko?
Iza fa tahaka ny mamin'ny foko?
Zovy ny anaranao hokalokaloiko,
Hametsoko izato tononkaloko!
--------
Rohy:
709 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01