Vavaka (Ikalamako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha manoloana fefy sarotra hihoarana
Na ny mikitroka tsy hahitako làlana.
Dia fantatro fa ao ny Tànanao Mahery
Handray sy hitantana ahy.

Raha toa hirodana ireo izay naoriko
Hosomparam-pahavalo izay mba fananako
Tsy hitarainako akory fa ny zavatry ny tany
Tsy mateza hoy Ianao.

Raha misedra tafiotra ny sambokeliko
Sanatria ho fefika anivon-drano be
Aminao ihany no apetrako ny diako
Hamonjy tany maina.

Raha manilika ahy izao tontolo izao
Hanakora koa ireo mpankahala
Dia vavaka Aminao no ataoko ampinga
Tokim-pandreseko

Fa ny Fitiavanao
No mahatoa izao ahy
Ka tsy misy ahiako raha miaraka Aminao
Tompo o, fialofako Ianao

R.V. (ReViReVy)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146