Fehezam-bonikazo ho anao (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fehezam-bonikazo ho anao
Izay vimbiniko ho tsiahy
No atolotro eto izao,
Tsy hanadinoanao ahy.

Ka na halazo, na ho potika,
Na tsy hizara tsiky intsony,
Dia 'lay hanitra tsy hilofika,
Tsy handao anao akory.

Mino koa aho anefa
Fa hisy ihany mba hitoetra
Ho haingotianao ireo,

Ka ianao indray no hanefa
Fikoloana izay rehetra
Irinao mba haseho.

R.H.H.C.
--------
Rohy:
169 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145