HAFALIANA MANGINA (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafaliana tsy hay tohaina
No ao am-poko tsy miloaka,
Ka Ilay Tompo tsy nosarahina
No tolorako ny saotra.

Hafaliana hafakely,
Tsy mba toy ny an’ny maro,
Tsy nahim-poko velively,
Ary miavaka fangaro.

Hafaliana tsy omby tratra
Nefa koa tsy hay bitahana
Sao sanatria indray haratra,
Fahanginana no aoka hibahana.

Ahy izao ny hafaliana
Ary inoako mba haharitra
Fa mampandresy fijaliana
Ka iderako an’Andriamanitra.

RHHC
--------
Rohy:
Sokajy : Fisaorana - Hafaliana - Ahy - Fiainana
113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165