Tokontanin-daingo (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko miandrandra hanakatra ny laingo,
Maniry hiara-dia, ho loham-bonikazo.
Fa ianao no tazako eny, manandratra ahy, haingo,
Hitahiry endri-belon-tsiky, haharitra, tsy halazo.

Mitoetra manirery aho, lavitra kinendry,
Fa dia lasana izy raha niandry ny hatonina,
Sinintona hanitra ho avo ilay verony, voatendry
Hitari-dalana sy hanampy an’ireo mpiara-monina.

Voasarikao aho anefa koa dia ninia
Ny hanatona, hampitsiky ny vohitro hatrany
Ka ianao tsy niherika, mbola tohitro ihany.

Fa manolotra hafaliana, manolotra fitia
Ny masoandro eny ambony sy ny kita-mamiratra,
Toy izany ianao ka hoderaiko fanjelatra.

R.H.H.C.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
98 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147